Mot de l'ancien Frère Directeur (2010-2012)
Hatrany am-boalohany dia teo Andriamanitra fitiavana. Nandefa ny zanany hitondra famonjena ho antsika zanak'olombelona izy.
Efa ho 80 taona lasa izao no nandraisan'ny ESCA anjara amin'izany fitoriana an'Andriamanitra fitiavana loharanom-pamonjena izany.
Hatramin'ny 1932 dia niboiboika toa rano velona ny fahasoavana sesehena nentin'ny sekoly amin'ny alalan'ny fanabeazana feno omena ny ankizy sy ny tanora.
Fanomezam-pahasoavana avy amin'ireo Frères du Sacré-Coeur mpialoha lalana izany.
Ao ny mpanorina: Père André Coindre, Fr Polycarpe, ireo Misionera telo mirahalahy namaky lay voalohany taty Madagasikara.
Maro ireo mpanabe nifandimby niara-nisalahy tamin'ny ray aman-dreny amin'ny fanabeazana ireo taranaka amam-para.
Soa sesehena no notovozina avy tamin'ilay Fo Masina, ka nahatafita olom-banona maro ho reharehan'ny fianakaviana sy ny firenena, eny fa na dia izao tontolo izao aza.
Ankehitriny dia ny tranon-kalam-pifandraisana no fitaovana vaovao hanamafisana ny fiombonana sy ny serasera. Fanabeazana miompana amin'ny fifampitokisana sy ny fandraisana andraikitra no nanentana.
Tompon'andraikitra voalohany amin'ny fanabeazana raisiny ny isam-batan'olona.
Koa enga anie ity "Site Web" ity hampivelatra ny fampivoarana ny asa fanabeazana sy fampanjakana ny fitiavan'I Fo Masin' I Jesoa.
Retrouvez Le mot de l'ancien Frère Directeur en : Version Française - Version Anglais